Entrée | 1 Vavaka ho an' ilay mpandalo |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 vavaka, ilay, mpandalo |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Raharolahy Mamy |
Editions |
1960/01. |
Texte complet |
7 Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely. 8 Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely! 9 Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso 10 Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso. 11 Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny 12 Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny. 13 " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa; 14 Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa! 15 Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny. 16 Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny; 17 Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao, 18 Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " . 19 Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo 20 Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo. 21 Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha 22 Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha. 23 Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny! 24 Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany! |
Mis à jour le 2025/05/06 |
![]() |